🌸 ILAINA VE NY DÉMAQUILLAGE ISAN’ANDRO ?🌸inona ny mampiavaka ny démaquillant O.TWO.O ?

Publié le
Catégories: lèvres, Maquillages, peau, soins, Tutos et astuces, visage, yeux Mots clés: , , ,

“C’est en éliminant complètement votre maquillage que les cils et la peau sensible du contour des yeux, ainsi que celle du visage, resteront en bonne santé”

Any anaty film ihany no misy olona maquillée amin’ny hariva, mifoha maraina mbola maquillée manja be😊. Dans la réalité – tena à éviter

👌🌸 INONA NY ATAO HOE DEMAQUILLAGE?

Ny atao hoe démaquillage dia ny fanalana ny hatsembohana, ny vovoka sy ny loto rehetra entin’ny rivotra, ny sela maty (cellules mortes), ny maquillage amin’ny alalan’ny démaquillant. Noho izany ny ingrédients n’ilay démaquillant dia tokony afaka manala an’ireo rehetra ireo.

🌸 INONA NO MITRANGA REHEFA TSY MANAO DÉMAQUILLAGE ISIKA ISAKY NY HARIVA?

Rehefa tsy manao demaquillage isika dia tsentsin’ireo rehetra ireo ny hoditra dia tsy afaka miaina. Dia tonga ny:

– irritations: lasa (mora) mangidihidy ny tarehy, lasa misy menamena

– mony

– tsentsina ny Pores

– antitra mialohan’ny fotoana ny hoditra (vieillissement précoce de la peau)

Rehefa tsy alantsika ny mascara amin’ny hariva, dia manamaina ny volomaso izy, lasa mora tapaka ny volomaso.

Ny alina hono……mitondra repos hoan’ny hoditsika. Mila madio izy amin’io fotoana io, ary raha misy soins ( = produits natao hiditra any anaty hoditra) dia amin’ny alina no tsara ampiasana azy (serums de soins, crème nourissante de nuit, etc….).

🌸 INONA NO MAMPIAVAKA NY DEMAQUILLANT O.TWO.O OHARINA AMIN’IREO DÉMAQUILLANT HAFA?

Tsy vitan’ny hoe démaquillant izy, fa misy acide hyaluronique ny composant-ny ary io acide hyaluronique io no atout-any. Sady manadio ny hoditrao ianao izany no mampiditra acide hyaluronique anaty hoditrao. (Produit 2en1)

Ny acide hyaluronique dia

– miaro ny hoditrao @ pollution, ultra-violet, setro-tsigara: ireo no singa voalohany maha antitra ny hoditra mialohan’ny fotoana

– natao hoan’ny olona rehetra, na lahy na vavy, na firy na firy taona. – mahatanora ny hoditra satria manampy ny hoditra hamokatra sela vaovao

– mi hydrater ny hoditra, indrindra fa ireo hoditra maina marokoroko.

Partager sur :
840 vues
0
;

Catégories

Recherche

Mots clés