🌷TYPES DE PEAU🌷

Misy karazany 4 ny types de peau: Peau normale, peau mixte, peau grasse, peau sèche.

✔ PEAU_NORMALE : Sady tsy mora tsemboka no tsy maina. Tsy tazana ny masonkoditra, tsy mora bora mena, ary tsy mba misy tasy na mony.

✔ PEAU_MIXTE: Ny andrina sy orona ary ny eo ambony molotra (ny fitambaran’ireo no antsoina hoe “zone T”) mora tsemboka be, tazana ny masonkoditra. Ny ambiny kosa anefa maina, mora miofaka.

✔ PEAU_GRASSE: Tena mora tsemboka be, tazana be ny masokoditra amin’ny tarehy rehetra. Mangirana ny tarehy, misy mony, points noirs. Ny antony voalohany dia manaranaka, faharoa: misy déséquilibre hormonal (indrindra eo amin’ny adolescents, ny vehivavy…) ,fanafody, stress, fampiasana produits cosmétiques mampisy tasy sy mony.

✔ PEAU_SÈCHE : tsy ampy lipide izy dia maina, satria tsy manana ilay barrière natao hitazona ny hamandoana ao anaty hoditra izy. Noho izany, mila “ampiana” izy mba hanana an’io barrière io. Ny antony mahatonga ny peau sèche dia ny tsy fahampian’ny céramides, acides gras ary cholosterols (lipides ireo) ao anaty hoditra. Rhf mandroso mihamaina foana ny hoditra dia mihapotika io barrière io: lasa misy rides mialohan’ny fotoana, marokoroko be ny tarehy, miofaka, lasa feno tasy, mangidihidy, mora mi s’infecter, mora irritée.

✔ misy karazana peau iray dia ny PEAU_SENSIBLE: tsy type de peau izy fa état : na peau grasse na peau sèche dia mety ho peau sensible: izay fiovana rehetra dia tsapany: mihamafana, mihamangatsiaka, rano, pollution, rivotra, masoandro, setro-tsigara,sns… Ny vehivavy no betsaka manana peau sensible kokoa nohon’ny lehilahy, ary matetika dia manify no fotsy ny hoditra. Ny entina iadiana aminy dia misotro rano tsara, ajanona ny sigara, mihinana sakafo be omega 3 sy 6, hydrater-na tsara amin’ny produits hydratants hoan’ny peau sensible izy.

Partager sur :
1425 vues
1
;

Catégories

Recherche

Mots clés